Nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo fotodrafitrasa Rano, Fanadiovana ary Fidiovana (EAH) ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversiten’i Vontovorona ny Fitondram-panjakana, ny 30 Septambra 2026. Izao dia natao ho famaliana ireo filàn’ireo mpianatra sy hanatsarana hatrany ny tontolo ianarana, ny fahadiovana ary ny fahasalamana eny anivon’ny toeram-pianarana. Fotodrafitrasa natolotra: Trano fivoahana sy trano fidiovana vaovao miisa [...]…
Nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo fotodrafitrasa Rano, Fanadiovana ary Fidiovana (EAH) ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversiten’i Vontovorona ny Fitondram-panjakana, ny 30 Septambra 2026.
Izao dia natao ho famaliana ireo filàn’ireo mpianatra sy hanatsarana hatrany ny tontolo ianarana, ny fahadiovana ary ny fahasalamana eny anivon’ny toeram-pianarana.
Fotodrafitrasa natolotra:
Trano fivoahana sy trano fidiovana vaovao miisa 10, misy efitra 16 avy;
Trano fivoahana sy trano fidiovana miisa sivy (09) nohatsaraina sy nohavaozina.
Ity asa notanterahana ity dia fanamafisana ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, hanatsara hatrany ny fisitrahan’ny mpianatra rano, fahadiovana ary fidiovana mendrika.