Natolotra ny vahoaka, ny 05 oktobra 2026, tao Andranovondronina, Distrikan’Antsiranana II, ireo fotodrafitrasa vaovao hanatsarana ny famatsian-drano sy ny fahadiovana. Fotodrafitrasa famatsian-drano ahitana forage mandeha amin’ny herin’ny masoandro, miaraka amin’ny sinimben-drano manana hadiry 20 m3 ary tambazotra famatsian-drano. Nohatsaraina ihany koa ny toeram-pidiovana sy ny fitaovana fanasana tanana eny amin’ny EPP sy CEG. Maherin’ny 554 [...]…
Natolotra ny vahoaka, ny 05 oktobra 2026, tao Andranovondronina, Distrikan’Antsiranana II, ireo fotodrafitrasa vaovao hanatsarana ny famatsian-drano sy ny fahadiovana.
Fotodrafitrasa famatsian-drano ahitana forage mandeha amin’ny herin’ny masoandro, miaraka amin’ny sinimben-drano manana hadiry 20 m³ ary tambazotra famatsian-drano.
Nohatsaraina ihany koa ny toeram-pidiovana sy ny fitaovana fanasana tanana eny amin’ny EPP sy CEG.
Maherin’ny 554 ny olona hisitraka mivantana ireo fotodrafitrasa ireo. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny eo amin’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, sy ny Agence de l’Eau France, HAMAP ary ONG AZIMUT.