VAOVAOM-PARITRA BONGOLAVA
Manohy ny asa manerana an’i Madagasikara ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, amin’ny fanamafisana ny fahafahan’ny rehetra mahazo fotodrafitrasa ara-pahasalamana.
Notanterahina ny 19 martsa 2026 ny fandraisana ireo fotodrafitrasa vaovao ho an’ny EPP sy CEG Andrefanigara. Ahitana trano fidiovana ho an’ny ankizivavy sy ankizilahy, trano fivoahana ho an’ny mpianatra manana fahasembanana ary toerana fanasana tanana ireo fotodrafitrasa vita ireo, izay manampy amin’ny fanatsarana ny fahadiovana sy ny tontolon’ny sekoly.
Tombanana ho maherin’ny 1 100 ireo mpisitraka, anisan’izany ireo mpianatra, mpampianatra ary mpandraharaha, izay hahazo tontolo fianarana madio sy ara-pahasalamana.
Izao no tanteraka dia nohon’ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Rano, Fanadiovana ary ny Fidiovana ,ny JIRAMA, ny Kaominina ary WaterAid Madagascar izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa TSIROARANO.

L’article VAOVAOM-PARITRA BONGOLAVA 🔹Manohy ny asa manerana an’i Madagasikara ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, amin’ny fanamafisana ny fahafahan’ny rehetra mahazo fotodrafitrasa ara-pahasalamana est apparu en premier sur Meah.