Notanterahina, ny 01 Oktobra 2026, tao amin’ny EPP Soanafindra, Kaominina Renivohitra Tsiroanomandidy, ny fandraisana vonjimaika ny asa fananganana fotodrafitrasa Fanadiovana sy Fidiovana (BSAN), natao hanatsarana ny fahazoan’ny mpianatra tolotra ara-pahadiovana mifanaraka amin’ny fenitra. Ahitana tranom-pidiovana misaraka ho an’ny ankizilahy sy ankizivavy, fotodrafitrasa natao ho an’ireo olona manana fahasembanana, ary toerana fanasana tanana (DLM) ity fotodrafitrasa [...]…
Notanterahina, ny 01 Oktobra 2026, tao amin’ny EPP Soanafindra, Kaominina Renivohitra Tsiroanomandidy, ny fandraisana vonjimaika ny asa fananganana fotodrafitrasa Fanadiovana sy Fidiovana (BSAN), natao hanatsarana ny fahazoan’ny mpianatra tolotra ara-pahadiovana mifanaraka amin’ny fenitra.
Ahitana tranom-pidiovana misaraka ho an’ny ankizilahy sy ankizivavy, fotodrafitrasa natao ho an’ireo olona manana fahasembanana, ary toerana fanasana tanana (DLM) ity fotodrafitrasa ity. Mpianatra sy mpampianatra ary mpisitraka hafa, tombanana ho 1 250 eo ho eo, no hahazo tombontsoa amin’izany.
Amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH), dia tanterahina miaraka amin’ny WaterAid Madagascar ao anatin’ny Tetikasa TSIROARANO – Water for Life izao ezaka izao, izay mikendry ny hanamafisana ny fahazoana fotodrafitrasa ara-pahasalamana momba ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana eny anivon’ny sekoly, ho fanomezana tontolo fianarana madio sy azo antoka