Tontosa ny 29 sy 30 Septambra 2026, tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohibary, Distrikan’i Moramanga, ny fanolorana sy fitokanana paompin-drano miisa 05 ho an’ny EPP Maroala, EPP Sandrangato ary EPP Tsaramitety. Manan-danja amin’ny fanatsarana ny tontolo ianarana sy ny fiarovana ny fahasalaman’ny mpianatra ny fahazoana rano fisotro madio eny an-tsekoly. Ireo fotodrafitrasa ireo dia manamafy ihany [...]…
Tontosa ny 29 sy 30 Septambra 2026, tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohibary, Distrikan’i Moramanga, ny fanolorana sy fitokanana paompin-drano miisa 05 ho an’ny EPP Maroala, EPP Sandrangato ary EPP Tsaramitety.
Manan-danja amin’ny fanatsarana ny tontolo ianarana sy ny fiarovana ny fahasalaman’ny mpianatra ny fahazoana rano fisotro madio eny an-tsekoly. Ireo fotodrafitrasa ireo dia manamafy ihany koa ny fampiharana ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana (EAH), ho fananganana sekoly madio, salama ary manome tontolo ianarana mendrika ho an’ny ankizy.
Tanteraka izany noho ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana (MEAH) sy ny Money for Madagascar (MfM), ka mpianatra maherin’ny 500 no hisitraka mivantana ny fahazoana rano fisotro madio, ho fanatsarana ny fahadiovana sy ny fahasalamana eny an-tsekoly.