Nanao fitsidihana sy fanaraha-maso any amin’ny renivohi-paritry Antsinanana ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, Dr RAZAFINDRIANAINA Minosoa Anjaratiana Elia, hijery mivantana ny fandrosoan’ireo asa sy fotodrafitrasa entina hanatsarana ny fahazoan’ny mponina sy ny mpianatra rano sy fotodrafitrasa fanadiovana.
Tany amin’ny EPP Antetezambaro, dia mpianatra 2 500 no hisitraka ireo fotodrafitrasa vaovao, ahitana toeram-pidiovana, forage mandeha amin’ny herin’ny masoandro ary siniben-drano manana hadiry 5 m³. Tontosa izany noho ny fiaraha-miasan’ny MEAH sy ny ONG ACTED France, ka manampy amin’ny fanatsarana ny fahadiovana sy ny fahasalaman’ny mpianatra.
Nojerena ihany koa ny fandrosoan’ny asa fanadiovana lakandrano mirefy 12 km ao Ambohijafy, izay efa manodidina ny 6 km no vita. Ireo asa ireo dia mikendry ny hanatsarana ny fikorianan’ny rano, hiarovana ny tontolo iainana ary hanamafisana ny fiomanana amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra.
Ho fanamafisana ny famatsian-drano, dia paompin-drano miisa enina (06) no hapetraka, miaraka amin’ny siniben-drano 5 m³, ka tombanana ho 12 000 ny mponina hisitraka izany. Tontosaina miaraka amin’ny Action Contre la Faim ity asa ity, ho fanomezana vahaolana maharitra sy mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina.
Amin’ny alalan’ny fanaraha-maso akaiky eny an-toerana, ny fandrindrana ary ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombonantoka, dia manamafy hatrany ny ezaka ataony ny MEAH mba hahazoana antoka fa mivadika ho vokatra azo tsapain-tanana sy tombontsoa mivantana ho an’ny vahoaka ireo tetikasa tanterahina eo amin’ny sehatry ny rano sy ny fanadiovana.