Ny rano fisotro madio dia zo fototra ary laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana. Ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny MEAH, dia tsy mitsahatra ny manohana ny JIRAMA. Misy araka izany ny fividianana ireo fitaovana sy ny fanatanterahana ireo asa fanarenana, mba hanatsarana ny famatsian-drano sy hamaliana ny filàn’ny vahoaka. 88 % amin’ireo asa laharam-pahamehana no efa vita ankehitriny. Antananarivo, Marovoay, [...]…
Ny rano fisotro madio dia zo fototra ary laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana.
Ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny MEAH, dia tsy mitsahatra ny manohana ny JIRAMA. Misy araka izany ny fividianana ireo fitaovana sy ny fanatanterahana ireo asa fanarenana, mba hanatsarana ny famatsian-drano sy hamaliana ny filàn’ny vahoaka.
88 % amin’ireo asa laharam-pahamehana no efa vita ankehitriny. Antananarivo, Marovoay, Antalaha, Belo sur Tsiribihina ary Nosy Be no isan’ireo toerana voakasika. Ary mbola hitohy any amin’ny distrika maro hafa izany.
Ny MEAH manohana amin’ny alalan’ny fividianana ireo fitaovana, ny JIRAMA kosa manatanteraka ny asa.
Ny tanjona dia iray ihany, ny hisitrahana rano bebe kokoa, tolotra tsara kokoa, fiainana tsaratsara kokoa ho an’ny vahoaka.
Satria ao ambadik’ireo fitaovana sy fotodrafitrasa havaozina dia misy fianakaviana miandry rano, ankizy mila fahadiovana ary vahoaka mendrika tolotra azo antoka.
Mitohy ny asa ary mitohy ny fanohanana, ho an’ny vahoaka.