Notanterahina ny 26 Septambra 2026, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fanaovan-tsonian’ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH), izay nosoloan-dramatoa Minisitra Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia tena sy ny orinasa sinoa Jiangsu Bangtec Huachuang Sci-Tech Co., Ltd, manana traikefa amin’ny teknolojia fanadiovana ny ranomasina ho azo sotroina. Nanome voninahitra izao lanonana [...]…
Notanterahina ny 26 Septambra 2026, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fanaovan-tsonian’ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH), izay nosoloan-dramatoa Minisitra Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia tena sy ny orinasa sinoa Jiangsu Bangtec Huachuang Sci-Tech Co., Ltd, manana traikefa amin’ny teknolojia fanadiovana ny ranomasina ho azo sotroina.
Nanome voninahitra izao lanonana izao sy nisolo tena ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ny Médecin Général de Brigade ZAFITASONDRY RANOELSON Marcellin sy ny Kôlônely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry.
Ny tanjona dia ny handinika vahaolana ara-teknika, ara-toekarena ary maharitra, ahafahana manova ny ranomasina ho rano fisotro, indrindra ho an’ireo mponina any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara.
Misokatra amin’ny teknolojia vaovao isika, mitady vahaolana maharitra, ary mametraka hatrany ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy ho laharam-pahamehana.