Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny Tetikasa PIAA2, tarihin’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana (MEAH), miaraka amin’ireo mpiara-miombonantoka, ho fanatsarana sy fanamafisana ny rafitra fanarian-drano eto Antananarivo. Tanjona lehibe ny hampihenana ny loza ateraky ny tondra-drano, hiarovana ny mponina sy ny fotodrafitrasa, ary hanatsarana maharitra ny fari-piainan’ny vahoaka. Ao amin’ny Opération 1, izay iasana [...]…
Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny Tetikasa PIAA2, tarihin’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana (MEAH), miaraka amin’ireo mpiara-miombonantoka, ho fanatsarana sy fanamafisana ny rafitra fanarian-drano eto Antananarivo. Tanjona lehibe ny hampihenana ny loza ateraky ny tondra-drano, hiarovana ny mponina sy ny fotodrafitrasa, ary hanatsarana maharitra ny fari-piainan’ny vahoaka.
Ao amin’ny Opération 1, izay iasana ao Antanimena sy Analakely, dia mahatratra 25,80% ny fandrosoan’ny asa. Efa 226 metatra amin’ireo 1 499 metatra kasaina hametrahana dalots no vita hatreto. Ao amin’ny Opération 2, ao Mahamasina, kosa dia mahatratra 33,93 % ny fandrosoan’ny asa, ka 876 amin’ireo singa 1 323 no efa vita.
Mba hahafahana manatanteraka ny asa ao anatin’ny fepetra milamina sy azo antoka, dia miaraka amin’izany ny fandaminana ny fivezivezena sy ny fandraisana fepetra hiarovana ireo mpampiasa ny lalana sy ny toerana iasana.
Tsy mifarana amin’ny fanorenana sy fanarenana fotodrafitrasa ihany anefa ny PIAA2. Any amin’ny Fokontany 52, izay ahitana mponina manodidina ny 450 000, dia tanterahina ihany koa ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny fisorohana ny tondra-drano, ny fahadiovana, ny fitantanana ny fako ary ny fiarovana ireo fotodrafitrasa. Satria ny fahombiazan’ny rafitra fanarian-drano dia miankina amin’ny fotodrafitrasa sy ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay ihany koa.
Miaraka amin’ny fanohanan’ny Agence Française de Développement (AFD) sy ny Vondrona Eoropeana, ny PIAA2 dia mametraka ezaka mitohy sy vahaolana maharitra ho an’ny fanatsarana ny rafitra fanarian-drano eto Antananarivo, ka ny tanjona faratampony dia ny hahatonga ny tanàna ho mahatohitra kokoa ny tondra-drano ary hiantohana tontolo iainana azo antoka sy salama kokoa ho an’ny mponina.