Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny biraon’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, tao Ambohijatovo Ambony, ny solontenan’ny WaterAid Madagascar. Ny Minisitra Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, no nandray azy ireo. Nifantoka tamin’ny vina sy ny laharam-pahamehana ho an’ny sehatry ny Rano, Fanadiovana ary Fidiovana ny fifanakalozana, indrindra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, ny fandrindrana [...]…
Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny biraon’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, tao Ambohijatovo Ambony, ny solontenan’ny WaterAid Madagascar. Ny Minisitra Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, no nandray azy ireo.
Nifantoka tamin’ny vina sy ny laharam-pahamehana ho an’ny sehatry ny Rano, Fanadiovana ary Fidiovana ny fifanakalozana, indrindra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, ny fandrindrana ary ny famatsiam-bola ho an’ny sehatra.
Nohamafisina tamin’izany ny fahavononan’ny roa tonta hanohy ny fiaraha-miasa, mba hanamafisana ny fampiasam-bola sy hanafainganana ny ezaka hahafahan’ny Malagasy misitraka rano fisotro madio, fanadiovana ary fidiovana maharitra, mifanaraka amin’ny vina sy ny paikady nasionaly.