Nojerena teny Mahamasina ny fandrosoan’ny asa fanamboarana lakandrano tanterahin’ny Fandaharanasa Mirindra momba ny Fanadiovana Antananarivo – Dingana Faharoa (PIAA2). Nijery akaiky ny fizotry ny asa sy ireo fepetra raisina hiantohana ny fivezivezen’ny mponina mandritra ny fanatanterahana izany, ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, niaraka tamin’ny Filohan’ny Delegasionan’ny [...]…
Nojerena teny Mahamasina ny fandrosoan’ny asa fanamboarana lakandrano tanterahin’ny Fandaharanasa Mirindra momba ny Fanadiovana Antananarivo – Dingana Faharoa (PIAA2).
Nijery akaiky ny fizotry ny asa sy ireo fepetra raisina hiantohana ny fivezivezen’ny mponina mandritra ny fanatanterahana izany, ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, niaraka tamin’ny Filohan’ny Delegasionan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Andriamatoa RALAMBOMANANA Fenoherintsoa sy ny Solombavambahoaka Frantsay Corentin LE FUR, ny avy ao amin’ny Union Européenne ary ny Agence Française de Développement.
Mizotra tsara ny asa, ary hita fa: vita hatramin’ny 100% ny dingana voalohany (fivarinan’ny rano teo amin’ny Farihin’Anosy) ary ny dingana faharoa kosa (mitohy hatreny amin’ny BOA Mahamasina) dia efa vita ny 34% ny asa.
Tanjona ny hanatsarana ny rafitra fanarian-drano eto an-dRenivohitra, hampihenana ny loza ateraky ny tondra-drano ary hanatsara maharitra ny fari-piainan’ny mponina.
Mitohy ny ezaka. Mitohy ny asa. Ho an’Antananarivo madio.