FANARAHA-MASO SY FANAMAFISANA NY FAMPISITRAHANA RANO FISOTRO MADIO AO ANOSY SY ANDROY AMIN’NY ALALAN’NY TETIKASA MIONJO
Notanterahina ny 14 ka hatramin’ny 17 septambra tao amin’ny Faritra Anosy sy Androy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny asa momba ny fampisitrahana Rano fisotro madio ao anatin’ny Tetikasa MIONJO, izay tanterahin’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH), miaraka amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombonantoka ara-teknika sy ara-bola.
Nifantoka tamin’ny fanamarinana mivantana ny zava-bita sy ny fahatomombanan’ireo fotodrafitrasa, ny fanombanana ny kalitaon’ny asa ary ny famantarana ireo fanatsarana ilaina amin’ny fitohizan’ny tetikasa ny fanaraha-maso.
Anisan’ny nojerena manokana ny pipeline Mandrare-Sampona, mba hanamarinana ny fahombiazan’ny rafitra taorian’ny herintaona nampiasana azy, ny fanarahana ireo fenitra ara-teknika ary ny faharetan’ny fotodrafitrasa, ho fanomanana ny fandraisana ofisialy sy farany. Nifantohan’ity iraka ity ihany koa ny fanaraha-maso ireo fotodrafitrasa famadihana ny rano masira ho rano mamy miisa 3, dia ny tao amin’ny Kaominina Ambondro (Distrika Ambovombe), Behara (Distrika Amboasary Atsimo, Andranobory (Distrika Taolagnaro). Ary ireo fotodrafitrasa famatsian-drano marolafy (Système multi-usage) toy ny tao amin’ny Kaominina Ankaramena (Distrika Taolagnaro).
Maneho ny fahavononany ny MEAH hanamafy hatrany ny fanaraha-maso sy ny fiantohana ny kalitao ary ny faharetan’ireo fotodrafitrasa naorina izao hetsika izao, mba hahazoan’ny mponina ao Anosy sy Androy rano fisotro madio, azo antoka ary maharitra