FANANGANAN-TSAINA TAO AMIN’NY FITALEAVAM-PARITRA (DREAH) ANALAMANGA NANISANA
Notanterahina ny 14 Septambra 2026, tao amin’ny DREAH Analamanga Nanisana, ny Fananganan-tsainan’ny fianakaviamben’ny MEAH, notarihin-dRamatoa Minisitra Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia.
Fotoana nanaovana jeritodika ny asa vita sy ny asa miandry amin’izao fotoanan’ny maintany ary nanamafisana ihany koa ny firaisankina, ny fahavononana ary ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny mpiasa, indrindra manoloana ireo fanamby sedrain’ny sehatry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.
Tao anatin’izany ihany koa no nandraisana tamin’ny fomba ofisialy ny toeram-piasana nohavaozina ao amin’ny DREAH Analamanga, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Tetikasa PAAEP, ary nankasitrahana ireo delegasion’ny MEAH izay tafiditra laharana faha-10 ka nibata medaly volamena 13, volafotsy 13 ary alimo 9, nandritra ny lalao ASIEF tany Manakara.