Ny 25 Septambra 2026, dia nisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, sy ny Banky Iraisam-pirenena, ary ny UNICEF. Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny fahazoan’ny mponina, indrindra ny ankizy sy ny fianakaviana, ny rano madio, ny fidiovana ary ny fahadiovana ny fifanakalozan-kevitra. Ao anatin’izany, 320 [...]…
Ny 25 Septambra 2026, dia nisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, sy ny Banky Iraisam-pirenena, ary ny UNICEF.
Nifantoka tamin’ny fanatsarana ny fahazoan’ny mponina, indrindra ny ankizy sy ny fianakaviana, ny rano madio, ny fidiovana ary ny fahadiovana ny fifanakalozan-kevitra.
Ao anatin’izany, 320 ny rafitra Rano Multi-Usages (MUS) efa napetraka tao amin’ny faritra 3 sy distrika 13, ka 365 579 ny olona nahazo tombontsoa. Ireo MUS ireo dia natao hanamora ny fahazoana rano sy hanohanana ny filàn’ny mponina amin’ny fampiasana maro samihafa.
Niresahana ihany koa ny Tetikasa MIONJO, indrindra ny vokatra azo sy ny fanohizana ireo ezaka efa natomboka. Noresahina ny famatsiam-bola fanampiny (financement additionnel) izay hanamafisana manokana ny volavolan’asa momba ny rano any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara.
Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny rafitra fitantanana ireo tolotra rano ihany koa ny dinika. Anisan’izany ny resaka contractualisation sy ny andraikitry ny gestionnaires, ary ny tarification mba hiantohana ny fitantanana mahomby sy maharitra ireo fotodrafitrasa. Zava-dehibe izany mba hahafahana mitazona ny kalitao sy ny fahazoan’ny mponina ny tolotra rano.
Ny fifanakalozan-kevitra dia maneho ny fahavononan’ny MEAH sy ireo mpiara-miombonantoka hanamafy ny fiaraha-miasa sy hampitombo ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny Rano, Fanadiovana ary Fahadiovana.