FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA
Nifampidinika tamin’ireo mpiara-miombonantoka samihafa ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, anisan’izany ny Banque Africaine de Développement (BAD), ny ONG GRET ary ny Kaonsily misolo tena an’i Malezia, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny rano sy ny fanadiovana.
Nifantoka tamin’ny fanomanana sy famatsiam-bola ireo tetikasa laharam-pahamehana mikasika ny rano sy ny fanadiovana ary ny fanatsarana ny fitantanana ny tolotra rano ary ny fanitarana ny fiaraha-miasa any amin’ireo faritra tena mila izany ny fifanakalozan-kevitra.
Ny tanjona dia ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fahatokisan’ireo mpiara-miombonantoka ny Ministera ho tombotsoa ny vahoaka.