Notanterahina, ny 24 Septambra 2026 tao Anosy, ny Seminera Famaranana ny Tetikasa GESDA, izay natrehan’ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, Dr RAZAFIDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, niaraka tamin’ireo solontenan’ny Governemanta Japoney, ny JICA ary ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo.
Taorian’ny efa-taona nisian’ny fiaraha-miasa sy ny fanandramana teny ifotony, dia tonga amin’ny famaranana ny Tetikasa GESDA (Projet d’Amélioration du Système de Gestion des Déchets Solides à Antananarivo). Nandritra izany vanim-potoana izany, dia nisy ny famolavolana sy fanandramana vahaolana vaovao ho fanatsarana ny fanangonana, ny fitaterana ary ny fandrindrana ny fitantanana ny fako, mifanaraka amin’ny zava-misy eto Antananarivo.
Anisan’ireo asa notanterahina ny fanandramana fanasokajiana ny fako eny anivon’ny tokantrano tao Ampefiloha Cité sy Ambohitrakely, ny fanandramana natao tao Andralanitra, ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fitantanana ny fako, niaraka tamin’ny famolavolana fitaovana sy torolalana teknika.
Nohamafisin-dRamatoa Minisitra fa “Antananarivo madio no tanjona”. Tsy ampy anefa ny ezaka ataon’ny tompon’andraikitra irery: mitaky fandraisana andraikitra sy fiaraha-mientan’ny rehetra ny fitantanana mahomby sy maharitra ny fako, ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka, ny tontolo iainana ary ny kalitaon’ny fiainan’ny mponina.
Ny lesona, ny traikefa ary vahaolana azo nandritra ny GESDA dia tsy mijanona ho vokatry ny tetikasa ihany, fa natao ho fototra iorenan’ny Drafitrasa ho an’ny fotoana antonony sy lavitrezaka hatramin’ny taona 2032. Ity drafitra ity dia hametraka ireo laharam-pahamehana sy ny hetsika hotanterahina ho amin’ny fanatsarana maharitra ny fitantanana ny fako eto Antananarivo, ary azo ampifanarahana amin’ny zava-misy any amin’ireo Faritra hafa.
GESDA mifarana, fa ny ezaka mitohy. Ny tanjona dia ny hanova ireo lesona sy traikefa azo ho vahaolana maharitra sy asa mivaingana, ho an’ny Antananarivo madio sy milamina, ary ho fanamafisana ny ezaka iombonana amin’ny fanatanterahana ny “Madagasikara Madio.”