Nandritra ny roa andro, ny 01 sy 02 oktobra 2026, ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (MEAH) dia nanatanteraka atrikasa nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fandrindrana, ny firaisan-kina ary ny fiaraha-miasa, ho fanatsarana hatrany ny fahombiazan’ny asa, izay notarihin-dRamatoa Minisitra Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia.
Ny andro voalohany, tao Ambohidratrimo, dia natokana ho an’ny fihaonan’ireo mpitantana ao amin’ny MEAH, ireo rafitra miankina aminy ary ireo tetikasa eo ambany fiahiany. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa izany, ary indrindra tamin’ny famaritana mazava ny andraikitra sy ny asa andrasana amin’ny tsirairay, mba hahafahana mandrindra tsara ny ezaka rehetra.
Ny andro faharoa tao Alarobia kosa dia natokana ho an’ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpiara-miombonantoka ara-teknika sy ara-bola. Nifampizarana ny vina sy ny laharam-pahamehana eo amin’ny sehatry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana. Nohamafisina ny fandrindrana ireo fanohanana sy tetikasa, ary naseho ihany koa ny vokatry ny fanadihadiana momba ny famatsiam-bola ho an’ity sehatra ity.
Zava-dehibe amin’izany ny fametrahana fomba fiasa iombonana, izay ahafahan’ny rehetra miasa amin’ny tanjona iray iombonana sy mifameno amin’ny fanatanterahana ny andraikiny. Amin’ny alalan’ny fifampiresahana, ny fifampizarana vaovao ary ny fandrindrana akaiky no ahafahana miantoka fa mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka sy ireo laharam-pahamehan’ny Fanjakana ny asa sy ny fanohanana rehetra.