Nosoloina ny paompy mpampitombo tsindrin-drano na ny « surpresseur » ao Ambodimita, ka nohatsaraina ny fikorianan’ny rano sy ny fahafahan’ny tambajotra mamatsy ireo faritra manodidina. Ambohibao, Ambohirohy ary Imerinafovoany sy ny manodidina no hisitraka izany fanatsarana izany. Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa PAAEP, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena ary tanterahin’ny MEAH, ity asa ity, ho fanatsarana hatrany ny [...]…
Nosoloina ny paompy mpampitombo tsindrin-drano na ny « surpresseur » ao Ambodimita, ka nohatsaraina ny fikorianan’ny rano sy ny fahafahan’ny tambajotra mamatsy ireo faritra manodidina.
Ambohibao, Ambohirohy ary Imerinafovoany sy ny manodidina no hisitraka izany fanatsarana izany.
Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa PAAEP, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena ary tanterahin’ny MEAH, ity asa ity, ho fanatsarana hatrany ny famatsian-drano fisotro madio sy ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny mponina.